lazablues | 22 Oktobra, 2006 18:07
Tsy hoe akory rovi-damba aho, ka azonao ambaniana. Tsy hoe akory mafy ady aho ka tsy mba hanankarena indray andro any. Tsy hoe akory be lelo aho ka tsy mba hanoroka ny olon-tiako. Tsy hoe akory ... tsy hoe akory...
lazablues | 22 Oktobra, 2006 17:48
Mba nitsangatsangana tany Parisy ho'aho izaho fa dia tena tonga saina mihitsy hoe hay ny an-dry zareo vazaha tsy mba mazava alina hoatra ny antsika eny Tsaralalàna fa na dia amin'ny atoandro dia manjelatra éry?
Ka hono aho : mba hoatrinona moa izao ny l'Amour ry MADAMA?
lazablues | 22 Oktobra, 2006 17:33
Efa hoe tsy mamo aho ry ikala alika maty ity a! Consom 3 ve de aha mamo fa vohao ny trano!!! Tsy mamo aho ho'aho! Nifanena t amin'i Radaoro sy Ramarisely tery ambany andrefana aho dia mba nanafana tena kely. Marina fa efa amin'ny iray maraina izao fa vohao ny trano ry vendrana a! Izaho aza mba amin'ny alina fotsiny vao mba mivoaka ny trano; i tena anefa fotsy varavarana isan'andro vaky izao mivoaka mandeha miasa. TSY MAMO AHO HOA'AHO
lazablues | 22 Oktobra, 2006 13:24
Raha tadidinareo dia tamin'ny taona 1972 no teraka ny mouvement ZWAM. Ny ZWAM moa dia fanalavàna ny hoe : "ZATOVO WESTERN ANALA MANGA". Nampangaina izy ireo fa jiolahim-boto sy tsy an'asa mpanendaka ny mpandalo. Izy ireo anefa tary mba te-vivoatra ka nikambana tamina toby tao Soarano tao .Rehefa tonga moa ny "Filoha RATSY IRAKA " Dia novana hoe TTS ny anarandry zalahy na TARY TONGA SAINA.Tamin'ny hetsika 1972 ireny indrindra dia tena nivavaka ry zalahy ireo ka izao no fanaovany azy:
RY RAINAY IZAY AO AMBONY
HO AMASININA ANIE NY ANARAN'ITONY
ATAO ANIE NY KLEN'ITONY
HO TANTERAKA ANIE NY REVIN'ITONY
ETY AN-TANY FA TSY REVIN-DRONGONY
OMEO ANAY ANIO ALOHA NY SAOGANAY ANDROANY
FA RAHAMPITSO MBOLA METY HITOMANY
IZAHAY ANIE TSY MISOTRO RONGONY
AZA MITONDRA ANY ANY AMIN'NY KIZO
FA KÔZY BONNE ATAO
AOKA IZAY.
lazablues | 19 Oktobra, 2006 23:10
"Aza mivoaka any ianareo!" hoy rabôfinay.Izahay anefa tena mbola te hivazovazo ery ambonin'ilay tamboho antsoinay hoe "Mafanafana". Eo izahy no mihirahira miaraka @ ilay gitara tokana mba nindraminay t@ iay boay kely zanaka mahitahita teo @ tanàna.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |