Gitara mitaingin-tamboho

Vavaky ny ZWAM 1972 .

lazablues | 22 Oktobra, 2006 13:24

Raha tadidinareo dia tamin'ny  taona 1972 no teraka ny mouvement ZWAM. Ny ZWAM moa dia fanalavàna ny hoe : "ZATOVO WESTERN ANALA MANGA". Nampangaina izy ireo fa jiolahim-boto sy tsy an'asa mpanendaka ny mpandalo. Izy ireo anefa tary mba te-vivoatra ka nikambana tamina toby tao Soarano tao .Rehefa tonga moa ny "Filoha RATSY IRAKA " Dia novana hoe TTS ny anarandry zalahy na TARY TONGA SAINA.Tamin'ny hetsika 1972 ireny indrindra dia tena nivavaka ry zalahy ireo ka izao no fanaovany azy:

         RY RAINAY IZAY AO AMBONY                    

HO AMASININA ANIE NY ANARAN'ITONY

ATAO ANIE NY KLEN'ITONY

HO TANTERAKA ANIE NY REVIN'ITONY

ETY AN-TANY FA TSY REVIN-DRONGONY

OMEO ANAY ANIO ALOHA NY SAOGANAY ANDROANY

FA RAHAMPITSO MBOLA METY HITOMANY

IZAHAY ANIE TSY MISOTRO RONGONY

AZA MITONDRA ANY ANY AMIN'NY KIZO

FA KÔZY BONNE ATAO

  AOKA IZAY.

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb