Categorie: Ankapobeny
Tsy hoe akory rovi-damba aho, ka azonao ambaniana. Tsy hoe akory mafy ady aho ka tsy mba hanankarena indray andro any. Tsy hoe akory be lelo aho ka tsy mba hanoroka ny olon-tiako. Tsy hoe akory ... tsy hoe akory...
Mba nitsangatsangana tany Parisy ho'aho izaho fa dia tena tonga saina mihitsy hoe hay ny an-dry zareo vazaha tsy mba mazava alina hoatra ny antsika eny Tsaralalàna fa na dia amin'ny atoandro dia manjelatra éry? Ka hono aho : mba hoatrinona moa izao ny l'Amour ry MADAMA?...
Efa hoe tsy mamo aho ry ikala alika maty ity a! Consom 3 ve de aha mamo fa vohao ny trano!!! Tsy mamo aho ho'aho! Nifanena t amin'i Radaoro sy Ramarisely tery ambany andrefana aho dia mba nanafana tena kely. Marina fa efa amin'ny iray maraina izao fa vohao ny trano ry vendrana a! Izaho aza...
Raha tadidinareo dia tamin'ny taona 1972 no teraka ny mouvement ZWAM. Ny ZWAM moa dia fanalavàna ny hoe : "ZATOVO WESTERN ANALA MANGA". Nampangaina izy ireo fa jiolahim-boto sy tsy an'asa mpanendaka ny mpandalo. Izy ireo anefa tary mba te-vivoatra ka nikambana...
"Aza mivoaka any ianareo!" hoy rabôfinay.Izahay anefa tena mbola te hivazovazo ery ambonin'ilay tamboho antsoinay hoe "Mafanafana". Eo izahy no mihirahira miaraka @ ilay gitara tokana mba nindraminay t@ iay boay kely zanaka mahitahita teo @ tanàna.